✕
Malgascio
Traduzione
Originale
Mamy
Clicca per vedere il testo originale (Spagnolo)
Mamy.Mamy no anarany
Mitsiky foana,
Ambony fisainana sady tsara tarehy
Fa ny ray sy reniny
Ahoana no handraisan'izy ireo
Hoe mitoe-jaza izy
Izay sady tanora ,sahiran-tsaina,irery
Aza mitomany intsony Malala,
Tsy mahasitrana anao izany
Mila mahery ianao
Ho anao sy ny zanakao
Dia aza manamelo-tena
Nariany ianao sady tsy norarahiany
Tsy mora izany,ekeko
Tsy mora izany vehivavy izany
Mamy a,Tsisy olona te hanampy anao
Mitsara anao no ataon'izy ireo
Tsy tia anao ilay olon-tianao,tsisy ilana azy izy
Mbola ho eken'ny ray sy reninao hoe
tsy hitanao ny kilalao sy ny lainga nataon'iny mpamitaka iny anao
Aza mitomany intsony Malala,
Tsy mahasitrana anao izany
Mila mahery ianao
Ho anao sy ny zanakao
Dia aza manamelo-tena
Nariany ianao sady tsy norarahiany
Tsy mora izany,ekeko
Tsy mora izany vehivavy izany
Fafao ny ranomaso
Manandanja ianao
Ambony jerena fa misy dikany ianao
Aza mitomany intsony Malala,
Tsy mahasitrana anao izany
Mila mahery ianao
Ho anao sy ny zanakao
Dia aza manamelo-tena
Nariany ianao sady tsy norarahiany
Tsy mora izany,ekeko
Tsy mora izany vehivavy izany
| Grazie! ❤ ringraziato 1 volta |
| Puoi ringraziare l’utente premendo questo tasto |
Dettagli ringraziamenti:
Un ospite ha ringraziato 1 volta
Pubblicato da
antsa tantely 2019-10-08
antsa tantely 2019-10-08✕
Commenti
- Accedi o registrati per inviare commenti
Russia is waging a disgraceful war on Ukraine. Stai con l'Ucraina!
Chi è il traduttore
Ho an'ny malagasy mankafy mozika espanola